Ohatra ireny tsy niara-nifandrirotra ny fitarihana ilay hetsika politika « Force de changement » ireny taloha ny mpanao politika isany, Alain Andriamiseza sy Tolojanahary Maharavo na Doudou,
kanefa tsy ampy herintaona akory no nitrangan’ny seho niavaka tetsy amin’ny Live hotel Andavamamba. Nahagaga fa niara-nisitri-belona tsy hita popoka izy ireo. Ny raharaham-pirenena anefa ity mihamafana hatrany. Aiza ho aiza ny adidy amin’ny maha mpanao politika ? Antoko iray hita foana mandavan-taona, ohatra, ny ADN, ary mbola manohy ny fanentanany sy ny fampianarany hatrany. Ry Doudou sy ny ekipany nilaza andro maromaro izay fa hanetana isam-paritra saingy tsy heno hatramin’izao ny akony. Ilay iray kosa moa dia hoe hilatsaka ho filoham-pirenena mihitsy kanefa na antsoina aza tsy mandray finday intsony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.