Nisy ireo andian’olona nifamory teny amin’ny Gymnase Ankorondrano omaly antoandro, ary samy nilaza ny zavatra hitany tamin’ny fizotran’ny fifidianana.
Namotsipotsitra ireo lesoka niainany toy ny resaka lisi-pifidianana tsy tomombana, kara-pifidianana tsy azo kanefa nisy nanana roa, ny zava-nisy tany amin’ny fanisam-bato izay nisiana endrika hosoka sy fanodinkondinana safidim-bahoaka. Nilaza izy ireo fa tsy misy kandida na olona maniraka fa noho ny fahatsapana ny zavatra tsy sy ny fanaovana tsinontsinona ny zo maha olom-pirenena azy no mampihetsika azy. Nandeha nivantana tamina fahitalavitra iray teto an-drenivohitra moa izany. Nilanja sora-baventy izy ireo, ary rehefa nivoaka avy teny Ankorondrano, dia nihazo ny foiben’ny CENI tetsy alarobia naneho ny tsy fahafaliany. Efa niatrana teny an-toerana kosa ny mpitandro filaminana nisorohana ny mety ho fihoaram-pefy, ka voadidina tanteraka ity vaomiera misahana ny fifidianana ity. Novoizina tany anaty tambajotran-tserasera ary nentina nanasoketana kandida ho mampaniraka olona handoro ny CENI mihitsy ity resaka ity, raha ny resaka niniana novoizina. Mandeha ny teti-dratsy samihafa hifanosoram-potaka, toy ny fampiasana t-shirt, saingy hatreto aloha tsy mbola nisy kandida filoha nilaza ofisialy ho naniraka an’ireto andian’olona izay milaza fa maneho hevitra amin’ny maha olom-pirenena azy. Na inona aloha ezaka atao amin’izao, dia nisy ny lesoka, saika ireo kandida rehetra no nitondra fanakianana. Azo atao foana anefa no maka lesona tamin’ny zava-nisy hita fa nisy lesoka. Tsy hay na fifandrifian-javatra ihany fa taorian’ny fisintahan’ny solontenan’ny kandida iray nanara-maso tao amin’ny CENI no nisian’ireo andian’olona nihetsika ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.