Mirongatra sy mahazo vahana tato ho ato ny fanoratana rindrin’olona eto amintsika.
Ankoatra ny peta-drindra izay efa mahazatra dia mahazo vahana koa ny fanoratana ny anaran’ireo kandida izay hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay arahina loko mihitsy ny an’ny sasany. Raha araka ny fanadihadiana anefa dia tsy azo hatao ny manoratsoratra rindrina tahaka ireny, indrindra fa ny rindrin’ny tranom-panjakana. Toraka izany koa ny rindrin’olon-tsotra. Mila mahazo alalana avy any amin’ny tompony sy ny fokontany mantsy vao afaka manao izany ho an’ity farany raha araka ny fantatra satria dia karazana dokambarotra ihany no hatao. Ho ana fianakaviana tompon-tany iray eny Anosimasina Itaosy eny dia fantatra fa efa nitaraina teny anivon’ny fokontany misy azy mihitsy izy ireo. Tato anatin’ny tapa-bolana mantsy izao dia feno soratra manohana kandida iray ny tambohony ka amin’ny andro alina no hanaovan’ireo mpikarama azy. Ankoatra ity eny Anosimasina dia faritra maro no efa ahitana ireny soratsoratra ireny eto amintsika ka tokony hanaovana fanentanana sy fampahafantarana manokana ihany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.