Politique

Ampasikely Amparafaravola Tsy namelan’ny Dr Robinson raha tsy tafidiny am-ponja i Tati Sah


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Tsy levon’ny vavonin’ny Dr Robinson ny faharesen’ny kandida n° 13 nanoloana ny kandida n°25 tany amin’ny kaominina Ampasikely distrikan’Amparafaravola any Ambatondrazaka nandritra ny

 

 

 

fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana voalohany sy fihodinana faha-2  tamin’ny 7 novambra sy 19 desambra 2018 lasa teo noho ny fanentanan’ny olona  mavitrika notarihan-dRtoa Raharimalala Saholinirina Marie Claudine na  Tati Sah avy amin’ny antoko TIM ary efa ben’ny tanànan’izany kaominina izany nandritra ny 9 volana raha naharesy 37,11% no ho 32,03%  tamin’ny 2015 nefa dia nosoloin’ny Dr Robinson indray noho ny fitoriana nataony ka namohanan’ny Filankevi-mpanjaka didy  nahazoany rariny. Tsy nilamina intsony ny fifandiran’ny roa tonta nanomboka teo ka na hatraty amin’ny fampielezan-kevitra filoham-pirenena 2018 fihodinana faharoa aza dia efa namoahan’ny Dr Robinson fa tsy maintsy hampidiriny am-ponja ity nifaninana taminy tamin’ny fitantanana an’Ampasikely tamin’ny 2015 ity. Nohararaotin’ny Dr Robinson indray ary ny fifanarahana nifanaovan’ireo mpomba ny kandida 13 sy 25 ny hampifidianana an’ireo olona voasoratra ao anaty lisitra nefa tsy manana kara-panondro tao Ampasikely tamin’iny fihodinana faharoa iny ka nitoriany an’ity ben’ny tanàna nodimbiasany ity izay nolazaina fa fanapahan-kevitra nataon’i Tati Sah samy irery izany ary dia naiditra am-ponja fonjimaika tamin’ny zoma 18 janoary teo nialoha ny fianianana nataon’ny filoha Rajoelina Raharimamalala Saholinirina miandry ny fitsarana  azy amin’ny 28 janoary 2019 izao.

 

Ntsoavina Evariste

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT