Politique

Ampasikely Ambatondrazaka Mbola tian’ny olona ny kandida n° 25


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Na dia nanaovana fitaovana politika aza ny fiangonana Ekar sy Fjkm tany Ampasikely Ambatondrazaka ka nomena simenitra tamin’ny alahadin’ny faradoboka dia tsy niova ny fitiavan’ny olona ny Tiako i Madagasikara

 

 

 

 

 

 satria betsaka ny zava-bita taty aminay  (CSB2, trano fanaova-nify, Biraon’ny kaominina, Biraon’ny fokontany, ny PSDR, Fanatsarana ny fotodrafitrasa (barrage) … sy ny tombontsoa azo tamin’ny fitondran’i Dada Marc Ravalomanana, hoy Rtoa Raharimalala Saholinirina “Tatie Sah”, ilay ben’ny tanàna lany tao amin’ity kaominina ambanivohitra ity nefa naongan’i Dr Jean Robinson noho ny fanafoanana ny vato tao Ampandriatsara tamin’ny fifidianana tamin’ny 2013. Mazava izao ny resaka ankehitriny, hoy izy, fa tao antampon-tanànan’Ampasikely nandatsahan’i Dr Robinson mivady vato dia nahazo  isam-bato 745 ny n°25 raha 335 ny an’ny n°13 notohanan’izy ireo. Tao amin’ny fokontanin’Ampandriatsara ilay nofoanana tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny 2013 dia nahazo 186 ny n°25 raha 15 monja ny an’ny n°13. Nahatratra 580 izany ny elanelan’isa azon’ireo kandida roa ireo tao amin’ireo birao fandatsaham-bato roa ireo ary mbola ho betsaka kokoa noho izany amin’ny fihodinana faharoa  amin’ny 19 desambra ho avy izao satria efa vonona daholo ny K25 aty Ampasikely aty.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT