May volon-tratra ny mpomba ny kandida n° 13 any Ampasikely Ambatondrazaka.
Rehefa tsy nahomby tamin’ny fanomezana simenitra ny fiangonana Ekar sy Fjkm tamin’ny faradoboky ny fampielezan-kevitra ho fanambazana an’ireo mpifidy ao aminy handrotsaka vato ho an’ity kandida ity tamin’ny fihodinana voalohany ny 7 novambra lasa teo dia ny filoham-piangonana Ekar St Joseph Andriamanga Rindravony, tamin’ny alahady 2 desambra 2018 teo no nampirisihana hanao fanambarana novakiana tao amin’ny raharaham-piangonana teo imason’ny mpino rehetra fa hiato kely amin’ny asan’Andriamanitra aloha ato ho ato fa handeha hanao fampielezan-kevitra hiaraka amin-dry ben’ny tanàna Jean Louis Robinson sy ny tariny mpanohana mahafatrapo an-dRajoelina hanonitra ny faharesen’ny n°25 ny kandidany n° 13 tohanany tamin’ny fihodinana voalohany teo fa navesatra loatra ny faharesena. Na malalaka sy zon’ny tsirairay aza ny manohana ny kandida tiany dia mahalasa eritreritra ihany raha hariana amin’ny mety ho fahazoam-bola kely ny asan’ny Tompo efa nahavoaantso ny tena !
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.