Politique

Ampanjaka Ankarana sy Ravalomanana Mitovy ny fomba fijery


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Noraisin'ny Ampanjaka Ankarana tao an-tranony i Marc Ravalomanana ny sabotsy 13 oktobra lasa teo. Any amin’iny faritra Avaratry ny Nosy iny no misy an’Ankarana, anisan’ny manana ny maha izy azy eto amin’ny Nosy noho ny harena na ara-boajanahary na ara-kolontsaina ananany.

 

 

 Nanazava tamin’ny Ampanjaka ireo fotodrafitrasa hotanterahina sy hahafaha-mampandroso hatrany ity faritra ity i Marc Ravalomanana. Hafaliana sy fankasitrahana no nandraisana azy, ary nitovy ny tadin-dokanga dia ny hoe: hiaraka hanarina ny firenena. Nahazo ny tsodrano avy amin’ity Ampanjaka ity i Marc Ravalomanana ary nanome toky ny fahavononana hifanome tanana aminy ny any an-toerana amin’izao ady hatrehan’i Marc Ravalomanana izao. Tsy ny Ampanjaka Ankarana ihany fa saika nanome tsodrano ho azy avokoa ny tany amin’izay rehetra nandehanany. Matoa ny olobe tahaka ireny no resy lahatra aminy dia tsy tongatonga ho azy fa vokatry ny faharesen-dahatra amin’ny lafiny rehetra. Izy no azony antoka fa afaka hanavotra ny firenena ary manana ny toerany eo anivon’ny fiarahamonina ireny Ampanjaka sy raiamandreny isan-tsokajiny ireny izay tsy maintsy manome lanja izay hahasoa ny vahoaka tantanany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT