Naely nanerana ny haino aman-jery mpomba ny kandida n°13 tao ho ao ny hanaovan-dRatompokolahy Ratsirahonana Norbert Lala ampamoaka, mialoha ny fifidianana fihodinana faharoa ny 19 desambra izao.
Ny an’ny mpanao gazety Rolly Mercia sy Razara Pierre navoakany tao amin’ny haino aman-jery tantanan’izy ireo tsirairay avy, ny Radio Mivantana 95.2 Fm sy 101.8 Fm, tamin’ny alarobia 12 desambra 2018 teo anefa no tonga mialoha. Samy nanitrikitrika izy ireo fa efa nitondra faisana noho ny nataon’ity mpahay lalàna ikoizana ity avokoa ireo filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana rehetra nifandimby teto Madagasikara hatramin’izay nanomboka tany amin’ny filoham-pirenena Zafy Albert, ny filoham-pirenena Ravalomanana, ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ary ny filohan’ny tetezamita Andrinirina Rajoelina izay efa nahazo toro vohony sy fita-bitro tanteraka taminy im-betsaka nefa dia mbola mitoky aminy indray ankehitriny. I Maradona (mpampidi-baolina amin’ny tanana) no anaram-bosotra nomen’i Fidèle an’ity mpahay lalàna ity noho ny hafetsifetseny mahay mampiditra sy mamoaka ny olona tohanany. Hitrikitrihan’ireto mpanao gazety mirahalahy ireto fa ny fanapahan-kevitra raisin-dRajoelina rehetra hatramin’ny 2009 no ho nankaty amin’ny taona 2018 aty dia saika avy amin-dRatompokolahy Norbert Lala Ratsirahonanana avokoa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.