Amoron“Tsy misy jamba mihoatra izay minia mikipy tsy mety mijery ny zava-misy”, hoy ny fomba firesaka ! Zovy no tsy mikaikaika amin’ny fahasarotan’ny fiainana eto Madagasikara ankehitriny, ny anio sy ny rahampitso mety mbo
mbola ho vita ihany fa ny ho avy dia tena maizina tanteraka raha mbola tahaka izao ny zava-misy.Tsy mandroso izany isika fa na mijanona am-pitoerana, na mihemotra. Na ireo firenena rotiky ny ady an-trano tahaka an’i Cote d’Ivoire sy Rwanda, Kenya aza efa lasa lavitra nisongona antsika. Mahamenatra fa na i Haiti izay sady simban’ny adilahy politika an-taonany maro no mbola potiky ny horohoron-tany nahafatesan’olona efa ho 200 000 ny 12 janoary 2010 aza, dia efa nahasongona an’i Madagasikara raha fandrosoana ara-toekarena no resahana. 2009 ka hatramin’ny 2014 isika dia nihodinkodina, nifaninana tamin’ny fampandriana adrisa ny vahoaka ireo mpitondra, nanohy ny fampiesonana nataon’ny tetezamita ilay repoblika faha-4. Tsy misy zavatra azo antenaina fa kabary ary kabary fotsiny no ezahan’ny mpitondra hamahanana ny vahoaka. Maro be ny olona efa tena leo , ary mampatahotra fa misy mihitsy ny sahy miteny hoe :aleo hiady hifandramatra tahaka ny nisy tany Afrika mihitsy aloha isika e ! Ao no manitrikitrika ny hamaky ady amin’ny Frantsay ambarany fa fototr’izao fahapotehan’i Madagasikara izao. Asa raha mba mahare ireny resaka sy hatezeran’ny olona ireny ihany ny mpitondra na ahoana, fa mety zavatra kely monja tsy voatandrina anie izany dia ho raikitra ny ady an-trano eto e ! Sa ve sanatria efa tena izay mihitsy no tanjon’ny sasany ? Efa tena amoron-tevana i Madagasikara, iza moa fa tsy ny Malagasy tena tia tanindrazana ihany no afaka mijoro hanavotra azy fa rehefa ireo koa no matory na tsy sahy dia efa izay izany e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.