Tsy niova ny Amiraly Didier Ratsiraka, manimanina ny tongolon’i Egypta, tsy maty voalavo an-kibo.
Tsy nivaky mivantana izy fa mila fitondrana, saingy mifono izany ny zava-nambarany nandritra ny fandaharana manokana nivahinianany tamin’ny haino amanjery tsy miankina teto an-drenivohitra halina, fa mba hiantohana ny fifidianana eken’ny rehetra dia voasolotena ao anaty governemanta avokoa ireo kandida 36 neken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hifaninana amin’ny fifidianana hotanterahina amin’ny 7 novambra fa tsy governemanta najoro miainga amin’ny fifanarahan’olona telo ary izy tenany no tiany hitondra izany. Fanerena ny hahatongavana amin’izany ny fanaovany ampamoaka fa ny tsy fanajana ny sonia sy teny nomena no fototry ny olana eto Madagasikara sy ny filazany fa misy andian’olona maromaro nanafatra fitaovam-piadiana, hanaovana zavatra hafahafa eto. Manao tsindry ny Amiraly Didier Ratsiraka mba hihainoana azy dia mandrangaranga fa hisy korontana eto raha tsy milamina ny fitsipi-dalao toy ny lisi-pifidianana, lalàm-pifidianana, lalàmpanorenana, ny bileta tokana izay nambarany fa ahafahana manao hala-bato bevata ary tsy ampiasain’ny firenen-dehibe, demokratika. Toy izany koa ny CENI izay foronina handaniana vola nefa eo ny HCC. Kandida filoham-pirenena i Didier Ratsiraka. Nametraka ny firotsahan-kofidiany tamin’ny ora farany izy na tsy mankasitraka ny fifidianana aza satria efa karazan’ny tsy afa-nanoatra, ny taona rahateo mitombo ka ny hanomezana azy io fitondrana io, “handaminana ny firenena” no tadiaviny. Tsy tongatonga ho azy ny nanipihany fa izy no zokiolona amin’ireo be galona indrindra amin’ny miaramila. Mihambo moa izy fa matoa mirotsaka dia manantena fa ho lany, ary hanala vela izy satria noraisiny ho nikendrena azy manokana ny fametrahana ny “Ni…Ni…”, tamin’ny 2013. Nandeha ny ampamoaka fa notambazana 1.500.000 Euros hanao sonia ny tondrozotra izy fa tsy nandray. Namerimberina hatrany ny Amiraly nandritra ny fandaharana fa aleo aloha halamina ny zava-drehetra ary mangataka sy mitalaho fiaraha-mitantana izy mba hisian’ny fifidianana tsy misy raorao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.