Mitaky ny hanoloana ireo sefom-pokontany rehetra amin’ny fifidianana
Olana eto amin’ity firenena ity ny tsy fanajana ny rafitra tena mitondra ny demokrasia dia ny rafitra eny ifotony miainga amin’ny fokonolona, hoy ny AMF/3FM tarihan’ny Révérand Satrobory
Tena nampandringa ny fanomanana ny lisi-pifidianana teto amintsika, hoy izy ireo, ny tsy fahatomombanana niainga teny anivon’ny fokontany noho ny fanendritendrena fahatany an’ireo Sefom-pokontany mba hahazoana mifehy azy ireo amin’izay tian’ny fanjakana hanaoana azy. Satria tsy voafidim-bahoaka ireo sefom-pokontany ankehitriny dia tena manao izay saim-patany sy mahadiavolana ny sainy avy. Aminay AMF/3FM, hoy ny Révérand Satrobory, dia tokony hosoloina olom-boafidy avokoa mba hankatoavan’ny vahoaka azy ireo sefom-pokontany rehetra manerana ny Nosy ary tsy mandany vola velively ny fanatanterahana izany fa fiantsoana fivoriambem-pokonolona indray mandeha monja dia vita. Miainga avy eo amin’izay ny fahadiovan’ny fifidianana ary afaka manantena tsy amin’ahiahy ny hahatonga ny tenanay ho ben’ny tanàna ara-dalàna ho voafidim-bahoaka koa izany satria Antananarivo tsy mba manavakavaka izany fa an’ny Malagasy rehetra foko 18. Izahay AMF/3FM dia mbola miandrandra ny “sommet à 5” hahazoan’ny FFKM mandamina amin’izany ny tena fampihavanam-pirenena antoky ny filaminana sy fitoniana ary faharavan’ny krizy eto amin’ity Nosy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.