Eo anatrehan’ny fandehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny sy ireo fanambarana samihafa izao nataon’ny mpikambana sasany mety fampifangaroana amin’ny anaran’ny AMCT dia tianay ny manamafy, hoy atoa Dox Zabofigera sy ny namany fa miombompo amin’izay rehetra milofo amin’ny fikaroham-bahaolana ho an’ity Firenena ity ny AMCT tarihanay.
Hajainay araka izany ny fikirizana ataon’ny Fiarahamonim-pirenena rehetra, indrindra fa ny FFKM ankehitriny, hoy izy ireo. Na izany aza, ampirisihanay ny asa fampifanatonana ny fijery mifandrafy ara-politika fahiny, ho an’ireo mpanapa-kevitra tsy ankanavaka amin’izany ho an’ny fampivoarana ny fiainan’ny mpiara-belona. Satria mpino ny ankamaroan’ny mpikambana AMCT dia tsy ankasitrahanay ny fifandrangitana atao ampahibemaso sy amin’ny haino amanjery samihafa, avy amin’ireo mpomba firehana mihoa-pefy. Aoka mba ho marina sy voaporofo sy azo fotorina “authentique” ny vaovao seraserain’ireo manana andraikitra amin’izany, mba hanajana ny fahamendrehan’ny mpihaino (araka ny fivorian’i Afrika firotsahana Africae munus, niarahana tamin’i Benoît XVI page 71) satria tsy ronono an-tavy fa fanajana ny fahamendrehany sy ny zony hahazo vaovao no ilain’ny mpiray tanindrazana mba hahatongavana amin’ny fampihavanana marina. Aoka ary tsy hatao fitaovana politika ny mpiangona sy ny fiangonana, fa rafitra sy endriky ny “firaisana amin’ilay “Nahary”. Aoka mba hifotorana koa ny fametrahana ireo andrin’ny “Demokrasia”, ka sady hifidy ankahalalahana ny vahoaka no ho afaka “hanara-maso ny asan’ireo nametrahany fitokisana”. Heverinay koa fa tokony hosoloina filoha nofidian’ny vahoaka ao an-toerana ny sefom-pokontany mba tsy hampisy romoromo ity fifidianana ity filoham-pokontany “élu”. Voafidy fa tsy “tinendry”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.