Tsy mbola eo amin’ny fahefana akory, dia efa mandeha ny karazana tsindritsindry ataon-dRajoelina sy ny ekipany, raha jerena amin’ny fihetsika amin’ny propagandy.
Nisehoana trangan-javatra niteraka fahasorenana ho an’ny olona sasany tao Ambatondrazaka omaly ny fihetsika natao satria nidina sy niditra amboletra tao amin’ny Kianja Rasolonjatovo ny angidimby nitondra an-dRajoelina. Tamin’ireny fihodinana voalohany ireny, dia nisy tamin’ny mpiasa eo anivon’ny fandrindrana ny sidina ana habakabaka na ny ACM no sorena satria indraindray tsy misy ny fanajana rafitra sy fandaminana amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny sidina sy ny toerana haleha na ny “plan de vol” fa dia manao izay saim-pantatra, hoy ny loharanom-baovao iray. Niteraka fahatezerana teo amin'ireo mpankafy baolina kitra ny zava-niseho omaly satria mbola nandeha ny lalao no tapaka. Mahatsiaro tena ho natao tsinontsinona ireo mpanao baolina kitra avy any Andriamena. Avy lavitra izy ireo no mandranto lalao tao Ambatondrazaka ka betsaka ny fandaniana nandritra ny hadimiana nijanonana tao Ambatondrazaka. Lasa nitombo indray ny fandaniana satria tsy vita ny lalao noho io fidinan’i Andry Rajoelina tao amin'ny kianja Rasolonjatovo io. Fanaovana tsinontsinona anay izao, hoy izy ireo. Aminay dia diso ilay mpanao politika raha ohatr’izao ary tsy misy fanajana eo amin’ny samy Malagasy. Tsy nampoizinay mihitsy satria mbola nandeha ny lalaonay. Maninona raha mba nasiana fampilazana mialoha ary natao manara-penitra ilay seraseran’ny mpanao politika, hoy ny fitarainana. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana fa ny zava-niseho nahatezitra ny olona dia ny fanaovana tsinontsinona sy ny kely tsy mba mamindro satria kandida filoha sy manan-katao, dia tsy hasiana fanajana fa ny didin’ny besandry no solon’ny fanajana ny madinika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.