Ambohitrarivo

koperativa MFM sy AREMA : nifanao velirano fa hamokatra ao anatin’ny fifankatiavana


  • Talata 12 Aogositra 2014

‘ Ndao hamokatra, ka Vonona hifanaja sy hifankatia’, dina velirano nataon’ireo koperativa 2 ao amin’ny kominina ambanivohitr’Ambohitrarivo, distrikan’Amparafaravola, ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ireo. 30 taona lasa izay no nanomboka nitrandrahan’ny koperativa Vonona an’ny antoko Arema ny tany mirefy 96Ha sy ny koperativa Ndao an’ny Mfm ny tany 66Ha.

Fanjakana mahefa no nizara ny tany tamin’ny repoblika faharoa, fotoanan’ny sosialisma, nananganana ny koperativa. Rava moa ny sosialisma nanomboka tamin’ny repoblika faha-4 ka voahozongozona ny koperativa. Tadiavin’ny sasany nobodoina indray ny tanin’ireo koperativa ireo tamin’ny andron’ny tetezamita kanefa moa dia noho ny firaisan-kinan’ireo mpikambana dia tsy nahomby izany eti-dratsy izany. 30 taona taty aoriana dia nanamafy ny fahavononany hanajary sy hitrandraka ny velaran-tany 162Ha araka ny tokony ho izy sy ao anatin’ny fifankatiavana sy ny firahalahiana ny koperativa Ndao sy Vonona na dia samihafa aza ny foto-kevitra ara-politika ijoroany. Nanambara koa ny prezidan’ny koperativa Ndao fa vonona hanampy ny fanjakana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Ny zava-misy manko, araka ny fanazavana dia tandindomin-doza ny fambolena noho ny faharatsian’ny tontolo iainana. Hany ka mihena be no vokatra noho ny fihenan’ny rotsa-korana tato anatin’ny 2 taona nisesy. Manoloana izany indrindra dia nanambara ny koperativan’Ambalavary I sy II hitondra ny anjara birikiny amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Tsy hijanona amin’ny famokarana fotsiny intsony koa izy ireo fa hijery ny fiaraha-monina sy ny sosialy amin’ny maha-koperativa azy. Isan’izany ohatra ny fiarovana ny mpanjifa manoloana ny fisondrotry ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Hiroso amin’ny fanangonana sy ny famadihana ny vokatra ihany koa ireo koperativa ary dia ho imasoan’ny koperativa Ndao sy Vonona ny fambolena biolojika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT