Ny latsa-bato no vita fa ny ady politika dia mbola mitohy ao amin’ny Kaominina Ambohimasina, Distrikan’i Betafo,
Faritra Vakinankaratra. Tsy faly amin’ny nifidianan’ny vahoaka azy ny kandidan’ny antokom-panjakana ka dia mitsingoloka amin’ireo lisitra nitarika tamin’iny fifidianana natao tamin’ny 31 jolay 2015 iny. Tonga eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny raharaha, satria dia samy notoriany na ny TIM izay nahazo isam-bato ambony indrindra (1652 – 38,29%) araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI-T, arahin’ny MAPAR (1066), fahatelo ny HVM (840). Isam-bato 812 no ketrehin’ity farany hofoanana, mba handreseny ao amin’ity Kaominina. Miakatra ny feo any Ambohimasina, ary milaza ho vonona hijoro hiaro ny safidiny ny vahoaka maro an’isa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.