Politique

Ambohiboromanga Ambatondrazaka Olona misandoka ho mpanolotsaina ny filoha nanagadra kandida TIM


  • Alakamisy 11 Jona 2015

Ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny ora hariva no nivoaka ny didy savaranonandon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka, ny fihazonana vonjimaika an’Atoa Randria Rivoson Dolie,

 

 kandida ben’ny tanàna avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) laharana voalohany amin’ny bileta tokana ao amin’ny kaominina vaovao Ambohiboromanga Ambatondrazaka. Izany dia vokatry ny fitoriana nataon-dramatoa Rakotomaharo Lila Bodotiana mitonona ho mpanolotsain’ny filoham-pirenena ao Ambatondrazaka ary ireharehany sy anaovany antsojay olona maro sy ahavitany manararao-pahefana amin’ny tantsaha sy ireo tontolo ambanivohitra.

 

Tsy rariny

« Tena fanimbana ny kandidanay ao Ambohiboromanga izao zava-misy izao satria zavatra tsy mitombina sy famotehana kandida atahorana handresy amin’ny fifidianana ho avy io ny zava-misy ankehitriny izao », hoy ireo TIM ao amin’ny kaominina hilatsahany. Ny vadiny Rtoa Rabakolalao Myriame aza nahitsy fiteny fa « nogadraina amin’ny zavatra tsy nataony mihitsy ny vadiko ka miantso ny fitsarana tena handinika ny raharaha aho ». Raha ny zava-misy mantsy nandritra ny fanadihadiana ifotony natao dia resaka fitateram-bary ny taona 2014 no niatombohan’ny raharaha. Tsy nisy olana tamin’izany satria tonga tamin’ireo nanaterana azy avokoa ny vary rehetra mitotaly 46.576.000 ariary ary voamarin’ilay ramatoa tompony sy ny zanany mazava tsara ihany koa. Noho ny fanenjehana mafy ireto fianakavian’ity kandida ben’ny tanàna TIM ity, ka nahatonga azy ireo niezaka nandamina ny raharaha tsy hitaran’ny raharaha sy nanampy ity ramatoa mitonona ho mpanolotsain’Ambohitsorohitra ity tamin’ny trosabe nalainy teo anivon’ny banky BOA Ambatondrazaka dia nisy ny fanomezan’izy ireo azy vola 47,8 tapitrisa ariary sy tanimbary 9 ha avy amin’Atoa Rakotontany rain’ilay kandida ben’ny tanàna TIM nefa izao nohararaotiny izao ny fanampiana natao azy ho fanonerany ny vola nindraminy tamin’ny banky. Araka ny fanadihadiana teo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana Ambatondrazaka mantsy dia tsy mandefitra amin’ny tsy famerenam-bola mihitsy ny banky ao Ambatondrazaka, izay voamarina tamin’ny fisian’ny afisy fanaovana lavanty tany 17 ha ho an’ity tantsaha iray tsy nahaverim-bola ny taona lasa izay fotoana naharatsy ny voka-bary noho ny resaka toetr’andro. Ny 17 jona izao ny fitsarana ny raharaha izay heverina fa hivoahan’ny marina rehetra amin’ny antsojay sy fanararaotam-pahefana amin’ny fisandohan’i Bodotiana Lila ho mpanolotsain’ny filoha izay voamarina avy amin’ireo mpanolotsaina tena izy ao Ambohitsorohitra.


Rakoutou

 

 

 

 

 





Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT