Politique

Amboditandroroho - Toamasina II Nahavita ny adidiny ny PDS Georges Ramananjatovo


  • Sabotsy 10 Oktobra 2015

261 andro nitantanana ny Kaominina Amboditandroroho, Distrikan’i Toamasina II ny filohan’ny delegasiona manokana Georges Ramananjatovo.

 

 Tontosa ny 8 oktobra teo ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Ben’ny tanàna voafidy avy amin’ny HVM, Thierry «Favori».
Tamin’ny 20 janoary 2015 Ramananjatovo Georges no nomen’ny fanjakana iraka handray an-tanana ny Kaominina Amboditandroroho. Nandritra izay valo volana izay dia voailiny ny trosan’ny Kaominina sy ny karaman’ny mpiasa amam-bolana tsy voaloa. Nampitomboiny ihany koa ny karaman’ny mpiasa. Nahafahany nanatanteraka izany ny fifehezana ny fampidirana ny tamberimbidy ny hetran-tany sy trano. Nisaoran’ny mpiasa izy tamin’ny ezaka fanatsarana ny sosialin’ny mpiasan’ny Kaominina sy ny toekaren’ny Kaominina notantanany. Ny PDS Ramananjatovo Georges tetsy an-kilan’izay dia nirary soa ny Ben’ny tanàna vaovao hahavita be amin’ny asany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT