Anisan’ny notakian’ny K25 ny fanamarinana ny bileta rehetra nampiasaina sy ny ambiny tamin’ny birao fandatsaham-bato. Banga eo amin’ny 25 ka hatramin’ny 50 eo hatrany ny ambina bileta isaky ny birao fandatsaham-bato nohamarinina, raha ny nambaran’i Faniry Ernaivo.
Ahoana marina ny momba an’ireo bileta tokana, izay voalaza fa misy « numéro de série », saingy ny « souches » ihany anefa no tena fantatra fa ahitana izany hatreto ? Azo heverina ny mety nisian’ny bileta hosoka raha tena tsy misy an’izay famantarana manokana izay ireo bileta. Ankoatra izay, dia misy ny mihoatra ny 100% taham-pandraisana anjara amina faritra sy toerana maro nitarihan’ny kandida faha-13, ary nisy koa ny avy any amin’ny faritra manodidina ny 50% tamin’ny fihodinana voalohany no tafiakatra efa ho 100%. Niseho ny lavotondron'olona iray apetaka amin'ny lisitry ny mpifidy tao amin'ny faritra Amboasary Atsimo. Olona iray ihany koa no manao sonia amin'io lisitra io. Ankoatra izay dia tsy hita ny ankamaroan’ny ambin'ireo bileta tokana nampiasaina tany amin'io faritra io. Tany amin’ny Birao fandatsaham-bato 62010912011 tany Vohipaly Amboasary Atsimo, izao dia voasoratra araka ny valim-pifidianana navoakan’ny CENI fa 401 ny mpifidy voasoratra anarana ka tonga nandrotsa-bato avokoa, ka ny 400 an-dRajoelina ary ny 1 no azon’i Marc Ravalomanana. Azo inoana ve izany raha jerena amin’ny olana samihafa nosedrain’ny mpifidy, toy ny resaka kara-pifidianana, lisi-pifidianana… ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.