Mahasahana ny fomba fandrafetana teti-bola mifanaraka amin’ny filŕn’ny faritra sy ny fomba fananganana fotodrafitr’asa fidiovana no niompanana ny atrik’asa
notanterahan’ny sampandraharahan’ny rano Alaotra Mangoro tao Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo. Nomena fe-potoana 15 andro ireo Ben’ny tanàna hamaritany ny laharam-pahamehana ao anatin’ny dimy taona manaraka. Omena fiofanana tahak’izao avokoa ireo Ben’ny tanàna rehetra ao anatin’ireo Distrika dimy mandrafitra ny faritra Alaotra Mangoro. Fantatra fa betsaka amin’ireo Kaominina ambanivohitra no mbola tsy manana rano fisotro madio ka izay no mahatonga ny minisiteran’ny rano maka ny hetaheta ny mponina eny ifotony amin’ny alalan’ny atrikasa toa io notanterahana ny faran’ny herinandro io.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.