Tapa-kevitra tamin’ny ora farany ny ben’ny tanŕna am-perinasa Andriamanirison Jaques ny ho anisan’ireo mpifaninana amin’ny fifidianana amin’ny faha 31 jolay ho avy izao, raha ny hanohana olona ny heviny tany aloha.
Nambarany fa ny hanohy ny asa fampandrosoana izay efa natomboka sy ny hijoro hiaro ireo vahoaka izay tratran’ny fandrahonana avy amin’ny mpanao politika no nampiova hevitra azy handray anjara indray amin’io fifidianana izay hotanterahana ny 31 jolay io. Izy no kandida faha-11 nilatsaka ao amin’io renivohitra ny faritra Alaotra Mangoro io. Marihina fa 113 ireo kandida ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, ka ao amin’ny kaominina Bejofo sy Imerimandroso dia ny antoko HVM sy ny TIM irery no hifaninana.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.