Politique

Ambatondrazaka Miparitaka ny trakta manaratsy ny TGV


  • Talata 03 Febroary 2015

Niakatra tampoka ny maripana politika any Ambatondrazaka taorian’ny fiparitahan’ny trakta ny marainan’ny alatsinainy teo. Trakta izay manaratsy ny antokon’ny filoha ny tetezamita teo aloha. Voambara ao anatin’izany fa TGV= Tanora Gasy Vendrana

 

, fidio ho ben’ny tanànan’Ambatondrazaka, tsy mankasitraka ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina. Tsy mbola misy mahafantatra hatreto izay nanao io trakta io sy izay tanjona tiany hiaviana. Omaly ihany moa dia efa nivory maika ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ireo mpitondra fanjakana any Ambatondrazaka. Betsaka tamin’ireo mpanao politika no tonga fofona sy romotra ary sahy nanondro fa ekipan-dranona no nanao izany trakta izany. Efa mandray ny andraikiny mahakasika azy io ankehitriny ny mpitandro ny filaminana.


                                                                                                    Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT