Tapa-kevitra tamin’ny ora farany ny Ben’ny tanŕna am-perinasa Andriamanirison Jacques ny ho isan’ireo mpifaninana amin’ny fifidianana amin’ny 31 jolay ho avy izao, raha ny hanohana olona ny heviny tany aloha.
Nambarany fa ny hanohy ny asa fampandrosoana izay efa natomboka sy ny hijoro hiaro ireo vahoaka izay tratra ny fandrahonana avy amin’ny mpanao politika no nampiova hevitra azy handray anjara indray amin’io fifidianana io. Izy no kandida faha-11 nilatsaka ao amin’io renivohitra ny faritra Alaotra Mangoro io. Marihina fa 113 ireo kandida ao, amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka, ka ao amin’ny Kaominina Bejofo sy Imerimandroso dia ny antoko HVM sy ny TIM irery no hifaninana.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.