Efa manomboka miseho masoandro etsy sy eroa ankehitriny ireo mitonona ho kandidŕ amin’ny fifidianana ben’ny tanŕna manerana ny Nosy, tsy mbola misy mitonona kosa aloha hoe fidio aho fa mihetsiketsika mba ho hitan’ny olona fotsiny mba hamonoana lolo ny mpifanandrina. Izay miseho tokoa aloha hatreto dia babany avokoa fa milaza ny hitondra fiovana tanteraka eo amin’ny misy azy.
Kaominina afaka mandroso tsara noho ny fivoarana misy ao aminy ary manana herijika ny amin’izany indrindra ny eny Ambatolampy distrikan’Ambohidratrimo misy fokontany 8 ary manana an’Ambatolampy Tsimahafotsy ho renivohitry ny kaominina. Manana ny hoenti-manana ara-bokatra na ara-pihariana na arak’olona ity toerana ity saingy sarotra ny fivezivezena mampitohy azy amin’ny ireo kaominina 5 manodidina noho ny faharatsian’ny lalana ao aminy. Tsy tafavoaka noho izany ny vokatra avy amin’ity kaominina ity sy ny fampandrosoana rehetra tian-katao eny an-toerana. Efa mahaliana ny olona anefa ity kaominina ity izay manana Epp sy Ceg ary toeram-pitsaboana CSB II saingy mila ny fananganana Lycée ao aminy kosa indrindra ny sampana teknika, mila tsena mahaleotena ny kaominina ary mila fampidirana rano fisotro madio satria toerana tsy dia alavitra loatra ny renivohitra nefa mbola misy mantsaka amin’ny vovo ankehitriny izay efa ao ny fitaovana fa ny fanatanterahana sisa. Raha atao bango tokana, hoy Atoa Ravohitsoa Patrick izay efa fantatry maro amin’ny nahatao amin’ny fokontany sy ny kaominina azy nandritra ny 15 taona ary koa tamin’ny naha mpitambola azy naharitra tamin’ny tetikasa “piziculture” novatsian’ny PSDR vola teny an-toerana, dia mila “plan d’urbanisme” matotra ity kaominina ity ka vonona ny hamolavola izany ny tenany ka izany no naha tapa-kevitra azy hirotsaka ho kandidà ben’ny tanàna eny an-toerana. Heveriny fa tsy hahavita ireo nokinasa rehetra ireo raha tsy miaraka amin’ny fitondrana mijoro am-perinasa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.