Politique

Ambatobe Nitrangana poa-basy maharitra


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Nitrangana poa-basy maharitra teny Ambatobe omaly tokony ho tamin’ny enina ora maraina. Raha ny vaovao voaray dia mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny borigady sakelika fahadimy Analamahitsy no nanao fisamborana jiolahy teny an-toerana

 

. Araka ny vaovao avy amin’ny mponina iray eny an-toerana hatrany dia polisy misaron-tava maromaro no tazan’izy ireo nihaodihaody teny amin’ny manodidina. Ny fahitana azy, hoy ireo mponina, dia mety nisy jiolahy tena mahery vaika hosamborina. Nisy tamin’ireo olona sasany nilaza fa nifamaliana ny tifitra teo amin’ny roa tonta. Hatreto aloha dia tsy nisy vaovao ofisialy nivoaka avy amin’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ity tranga teny Ambatobe omaly ity.

Tojo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT