Hatreto anefa dia kandida 2 amin’ireo 16 mifaninana ao an-toerana no tena miseho sy manao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka haverina, dia ny an’ny VPM/MMM sy tsy miankina iray.
Mangingina ny ambiny. Na izany aza dia milamina ny fizotry ny fampielezan-kevitra any amin’ny Distrikan’Ambanja. Amin’ny zoma 29 aogositra 2014 no hatao ny latsa-bato amin’ity fifidianana solombavambahoaka haverina ity, ka Ambanja, Belo Tsiribihina, Marovoay ary Sainte Marie no voakasik’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.