Amin’ny tapak’ity volana aogositra ity no mety hanova ny mpikambana aoa main’ny governemanta ny filoha Alzeriana Abdelaziz Bouteflika.Minisitra 5 aloha hatreto no fantatra fa mety tsy ho voatazona amin’ny toerany intsony.
Mozambika :vita ny tondrozotra
Ahita marimaritra iraisana ihany ny fitondram-panjakana atsy Mozambika sy ny mpioko avy ao amin’ny RENAMO, roa volana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena ho tanterahana any an-toerana.Fivoriana 69 tao anatin’ny 19 volana no natao izao vao vita ity fifanarahana ity.
Abidjan :mampiady ny rano
Niteraka savorovoro sy fifandonana teo amin’ny samy mponina any an-toerana ny tsy fisian’ny rano efa ho andro maromaro tao Abidjan, renivohitra ara-toekaren’i Côte d’Ivoire.Nifandrombaka natsaka teny amin’ ireo paompy hany misy rano mandeha ny olona ka dia raikitra ny fifanosehana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.