Politique

Aleo ny lasa homba ny lasa Tsy hamaly faty ny mpitandro ny filaminana Ravalo


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Tsotra ny resaka ataoko amin’ny mpitandro ny filaminana Miaramila, Zandary, Polisy.

 Misy manely tsaho mantsy, ka i Dada tsy hamaly faty izany mihitsy, hoy izy, eo anatrehan’ny fihezahan’ny sasany hampiady azy amin’ny mpitandro ny filaminana. Kristianina aho ka tsy anjarako ny mitsara na hamaly faty,… ny hisavorovoroan-kilatoana, efa tonga izao ny fotoana hanorenana. Teo ny fotoana niadiana. Aleo hijanona ho tantara izany fa efa tonga izao ny fotoana hihavanana, hoy izy. Filoham-pirenena rahateo dia miantoka ny fiaraisankinam-pirenena. Toy ny mpirahalahy mianala isika, ndao isika hiara-dia satria maika ny fanarenana ny firenena ary tena mila fandriampahalemana ny vahoaka Malagasy. Ataovy izay hihavanana amin’ny olon-drehetra, aza adinoina ny tarigetra : ho an’ny tanindrazana, hoy ny hafatra feno fahendrena nataony. Tsiahivina fa noezahina nampiadiana tamin’ny mpitandro ny filaminana i Marc Ravalomanana tamin’ny raharaha fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, ary nisy ny andian-tafika nampiasaina nanongana azy. Tamin’ireny fitetezam-paritra samihafa nataony teto amin’ny firenena ireny ihany koa, dia niaraha-nahita ny zava-nisy fa dia noterena hitsangana ho fahavalony ny mpitandro ny filaminana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT