Tsy ny lalàna no ratsy na tsy mety fa ilay fahavononana hanaja sy hampihatra azy mihitsy no mbola olana eto Madagasikara. Anisan’ny mahay ary eken’izao tontolo izao ny mpahay lalàna Malagasy, torak’izany koa ny teknisianina sy manampahaizana maro.
Efa nisy, ohatra, ny Malagasy nitana andraikitra goavana tany amin’ny fitsarana iraisam-pirenena, misy ny malagasy miasa any amin’ny NASA (Etazonia) sy any amin’ny CNRS (Frantsa). Efa nisy ny teratany malagasy izay nitantana ny masoivohon’ny Microsoft tany Dubai, maro be ny malagasy miasa amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena miparitaka manerana izao tontolo izao, ary ny ankamaroan’ireo mpampianatra mpikaroka dia mampianatra ihany koa any amin’ireo oniversite any ivelany. Ny mahagaga anefa dia misavorovoro lava ny eto an-toerana, tsy mety mandroso i Madagasikara, simban’ny fifandirana politika ary lasa vakiraokan’izao drafi-pampandrosoana isan-karazany rehetra izao. Hitsangana indray io ny vaomieram-pirenena mahaleotena hisahana ny fifidianana dia samy miandry ny ny ho fitrangany ny rehetra. Amin’ny desambra no fitsapana voalohany ho an’ity CENI ity, ka aleo ihany manonofy fa mba hahavita fifidianana madio sy mangarahara marina ary efa nandray lesona tamin’ny lasa izy io e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.