Politique

Alasora Ho kaominina fakan-tahaka amin’ny lafiny rehetra


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Nandray ny asany tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro lasa teo ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina ambanivohitra Alasora Ramiaranjatovo Marc.

 


 

 Ho laharam-pahamehana ao anatin’ny fandaharanasany ny lafiny toekarena sy ny sosialim-bahoaka toy ny fanabeazana sy ny fandriampahalemana. Fanamby hapetraky ny mpitantana vaovao moa ny ho kaominina modely amin’ny lafiny rehetra ity tanàna ao anatin’ny distrikan’Avaradrano ity. Iray amin’izany ny fanambaran-kerin’ireo kandida mpanolotsaina sy ben’ny tanàna 90 mianadahy hiaraka hikaon-doha ho mariky ny fampihavanam-pirenena sy ho fampandrosoana iombonana ny kaominina. Tsy ho latsa-danja ihany koa anefa ireo sehatra rehetra mahakasika mivantana ny fiainan’ny mponina tahaka ny tontolon’ny famokarana sy ny varotra. Ezahina rahateo ny hampiavaka ireo vokatra sy zava-bita mivoaka ao amin’ny kaominina Alasora, hoy ny ben’ny tanàna vaovao mahalala tsara ny kaominina. Efa tonga eto an-toerana moa ireo mpiara-miombon’antoka vahiny hifanome tanana ankoatra ireo mpandraharaha Malagasy vonona ny hiara-kiasa. Handray fepetra tsy ho ela mikasika ny fanajana ireo vakoka hita eny amin’ny manodidina ny «by-pass» manoloana ny fanotofana tany tsy ara-dalàna ihany koa ny tompon’andraikitry ny tanàna tarihan-dRamiaranjatovo Marc. 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT