Politique

Alain Ramaroson Navotsotra omaly hariva


  • Talata 31 Martsa 2015

Omaly hariva tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany no navoaka ny tobin’ny zandary Betongolo i Alain Ramaroson, vita hatreo izany aloha ny ny fanadihadiana sy fakana am-bavany azy marihana ihany fa fanakorontanana ny filaminana anatiny.

 


 

Fanaovana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana ary fikonokononana fanonganam-panjakana no vesatra nanenjehana ity mpikambana CST teo aloha ity.Re koa anefa omaly tolakandro fa dia niampy indray izany satria misy raharaha hafa voalaza fa nitranga tany Ambatondrazaka tamin’ny 2013 maha voatonotonona ny anaran’i Alain Ramaroson ; tsy fantatra mazava kosa anefa hoe inona marina io raharaha hafa io.Mifarana eo aloha izany ny raharaha Alain Ramaroson satria matoa izy navela nody dia tsy misy zavatra ahiana intsony ny momba azy.Ny fanontaniana manitikitika ny rehetra izao dia ny hoe :mbola ho sahy hitarika olona hidina an-dalambe ihany ve ingahy Alain Ramaroson taorian’izao nihazonan’ny zandary azy izao !

 RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT