Politique

Alain Ramaroson Mbola mandrangaranga ny « Diabe » ihany


  • Alatsinainy 13 Aprily 2015

Nokianin’ny filohan’ny antoko Masters, Alain Ramaroson, ny fandaminana sasantsasany nataon’ny fitondrana mikasika an’ilay « Diaben’ny olom-pirenena » ka nahatonga an’iny fisamborana azy iny.

Manahy ny hisian’ny korontana ity mpitarika politika ity satria feno romoromo sy disadisam-piarahamonina amin’izao fotoana izao. Nanao antso avo tamin’ireo filoham-piangonana mivondrona ao amin’ny FFKM izy, ny faran’ny herinandro teo, hampiatoana ny fampihavanam-pirenena aloha. Tsy mbola  azo tanterahana araka ny tokony ho izy ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy izy. Takiany koa ny hanajanonana ny fifidianana aloha sao hiteraka ady an-trano. Miteraka lonilony sahady mantsy ny faneriterena an-kolaka isan-karazany sy ny tsindry aloka samihafa ataon’ny antokon’ny mpitondra any amin’ny Faritra maro ankehitriny. Tsy hazava mihitsy izay fifidianana hatao eo, hoy izy. Mbola nangatahany koa ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ilay sata manokan’Antananarivo. Tsy hijanona mihitsy ireo fitakiana ireo fa hitohy hatrany, araka izany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT