Politique

Alain Ramaroson Mbola hihetsika indray aorian’ny paska


  • Alarobia 01 Aprily 2015

Nihaona tamin’ny mpikirakira vaovao teny amin’ny Motel Anosy omaly hariva ny filohan’ny Masters Alain Ramaroson niaraka tamin’ny mpisolovavany maître Rasoavololona Voahangy.

 

Nanazava tamin’ny antsipirihany ny zava-niseho nanomboka tamin’ny fangatahana ny taratasin’ny fiarakodia nitondra ity mpanao politika ity hatramin’ny nisamborana sy ny nitazonana azy teny amin’ny tobin’ny zandary Betongolo nanomboka ny sabotsy hatramin’ny alatsinainy hariva teo izy ireo. Tsy nisalasala ramatoa mpisolovava nilaza fa nanjaka tanteraka ny tsy fanarahan-dalàna amin’ity raharaha fanenjehana ny olona arovany. Sady tsy voahaja ny zon’ny fiarovana no valin-teny boraingina no azo tamin’ireo fanontaniana maro napetraka toy ny anton’ny fanenjehana, ny taratasy manome alalana hanenjika na koa ny taratasy milaza ny fitazomana an’Andriamatoa Alain Ramaroson any amin’ny tobin’ny zandary. Mbola fanitsahan-dalàna hafa koa ny fisavana sy fitazomana ireo taratasim-piarakodia izay tsy nahazoana alalana na taratasy maniraka ireo nanatanteraka izany, hoy ny mpisolovava maître Rasolovololona Voahangy. Efa nivonona sy mivonona ary mbola vonona amin’ny mety hisian’ny fitsarana ihany koa izy ireo, araka ny fanampim-panazavana. Manoloana iny zava-nihatra tamin’ny tenany iny moa no nilazan’ny CST teo aloha Alain Ramaroson fa tsy hampihemotra azy velively izany. Aorian’ny fetin’ny Paska indray isika mahita ny tohiny, hoy ny teniny.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT