May kila ny 90%-n’ny trano sy ny fananan’Atoa Alain Ramaroson. Tamin’ny 10 ora sy sasany alina ny zoma lasa teo no fantatra fa nanomboka nirehitra avy ao amin’ny efitrano fandrian’ity mpikambana CST teo aloha sady filohan’ny antoko Masters ity ny afo
, raha ny angom-baovao natao teny an-toerana. Nantsoina saingy nilaza fa tsy manana fitaovana ny mpamonjy voina tao Andoharanofotsy, nantsoina indray avy eo ny teny Tsaralalàna ka afaka ora iray sy sasany vao tonga teny Andoharanofotsy niaraka tamin’ny fiara mpamono afo 3 ; niverina in-droa naka rano tany an-drenivohitra ireto fiara ireto satria tsy nisy rano sy « bouche d’incendie » teny amin’ny manodidina nitrangan’ny haintrano.Ny fokonolona teo amin’ny manodidina no tena nihetsika nandray andraikitra niezaka namono ny afo saingy tena nidedaka be aok’izany ilay izy ka izay no naha goavana ny fahavoazana.Tamin’ny 2 ora sy sasany maraina vao maty tanteraka ny afo.
Lasa lavenona ny « dosie Nadine Ramaroson »
Araka ny filazan’ny tompon-trano dia may kila tsy nisy noraisina ny dosie rehetra notahirizina tao an-trano, anisan’izany ny antontan-taratasy momba ny raharaha Nadine Ramaroson, ka raha tsy nitahiry dika mitovy amin’izy io any an-toeran-kafa izany ingahy Alain Ramaroson dia ho sarotsarotra ihany ny hamantatra ny tena marina momba iny raharaha iny.Nisy ihany ny entana sy fanaka noezahana navotana fa amin’ny ankapobeny dia tena namotika sy nandrava ity afo nandoro ny tranoan’ny filohan’ny Masters ity.Tsy mbola fantatra hatreto ny tena antony mazava nihavian’ny afo fa raha ny fitantaran’ny teny an-toerana aloha ny sabotsy maraina dia tsy nisy « court-circuit » tao amin’ilay efitrano nambara fa niaingan’ny afo ary tsy maty sy tsy nipoaka ihany koa fa mbola nandeha tsara ny kaonteran’ny Jirama.Afo nirehatra noho ny tsy fitandremana ve sa afo narehatra mihitsy ?Ny vokatry ny fanadihadiana ihany no hahafantarana ny tena marina momba ity fahamaizan’ny tranaon’Atoa Alain Ramaroson ity.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.