Politique

Alain Ramaroson Hitarika olona hidina an-dalambe


  • Zoma 20 Martsa 2015

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Alain Ramaroson. Manoloana ny fahoriana sy ny fijaliana mianjady amin’ny vahoaka dia nandray fanapahan-kevitra ity mpanao politika ity fa hangataka alalana ny hitondra vahoaka haneho ny heviny eny an-dalambe amin’ny herinandro ambony.

 

 

Raha ny fomba fiasan’ny mpitondra ny tanàna eto Antananarivo dia kely ihany ny finoana ny hahazoan’ity mpanao   politika ity fahazoan-dalana hitarika izany hetsika izany. Fa araka ny fanazavan’Atoa Alain Ramaroson dia tsy maintsy hataony io hetsika  io satria zon’ny Malagasy voafaritra mazava ao amin’ny lalàmpanorenana ny fanehoan-kevitra fa tsy manelingelina ny fahafahan’ny hafa.  Ity hetsika ity moa dia tohin’ilay fitakiana ny fanesorana ny minisitry ny Fanajariana ny Tany, ny minisitry  ny Fitaterana, ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola, ny minisitry ny Atitany ary ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika izay tsy nahitam-baliny tao anatin’ny fe-potoana 72 ora napetrak’Atoa Alain Ramaroson.

Andry Ratovo      

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT