Maro ny fangatahana sy fitoriana mipetraka eo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Anisan`izany ny fangatahana nataon`ny kandidà 22 mba hamoahana ny lisi-pifidianana satria feno hosoka ny fanomanana azy.
Araka ny nambaran`i Alain Mahavimbina, filohan`ny antoko GAR, manana fototra sy misy antony ny fitakiana ataon`ireo kandidà 22. Ao anatin`ny taratasy fitakiana dia nahitana isan`ny mpifidy 2 tapitrisa izay tsy fantatra ny fiaviany sy birao fandatsaham-bato 4 000 ihany koa, hoy izy. Notsindriany fa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra toy ny fandravana ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) satria raha zavatra kely ny fahadisoana dia heverina fa noho ny tsy fitandremana kely kanefa eto dia resaka isan`ny mpifidy sy biraom-pifidianana ka toa miendrika ho finiavana mamono ny lanjan`ny demokrasia. Olana mipetraka ihany koa ny tena andraikitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Raha vantanina dia niala amin`ny maha mpitsara azy ny HCC fa mipetraka ho mpandray fanapahan-kevitra politika fotsiny ary miharihary izany. Mitsara fa tsy manapaka amin`ny alalan`ny endriky ny fanapahan`ny governemanta. Efa hita soritra izany nandritra ny fametrahana ilay fangatahana napetrany teny amin`ny HCC satria i Alain Mahavimbina dia anisan`ireo kandidà 10 tsy nankatoavina ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany tamin`ny volana aogositra farany teo. Amin`izao fotoana, miray tsikombakomba na manao “complicitè negative” hanamotehana ny endriky ny hasin`ny demokrasia sy firaisam-pirenena ny HCC sy CENI ary ahiana ho fototry ny krizy amin`ny taona ho avy satria raha tsy mifanaraka sy eken`ny vahoaka izay voka-pifidianana eo dia tena hisy fanakorontanana sy hampisy ady, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.