Maro dia maro ny fangatahana sy fitoriana mipetraka eo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.
Anisan`izany ny fangatahana nataon`ny kandidà 22 mba hamoahana ny lisi-pifidianana satria feno hosoka ny fanomanana ny fifidianana. Araka ny nambaran`i Alain Mahavimbina, filohan`ny antoko GAR, manana fototra sy misy antony io fitakiana ataon`ireo kandidà 22 ireo. Ao anatin`ny taratasy fitakiana dia nahitana isan`ny mpifidy 2 tapitrisa izay tsy fantatra ny fiaviany sy birao fandatsaham-bato 4 000 ihany koa, hoy izy. Notsindriny fa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra toy ny fandravana ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) satria raha zavatra kely ny fahadisoana dia heverina fa noho ny tsy fitandremana kely kanefa eto dia resaka isan`ny mpifidy sy biraom-pifidianana ka toa miendrika ho finiavana mamono ny lanjan`ny demokratia izany. Olana mipetraka ihany koa ny tena andraikitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Raha vantanina dia niala amin`ny maha mpitsara azy ny HCC fa mipetraka ho mpandray fanapahan-kevitra politika fotsiny ary miharihary izany. Tsy mitsara fa tsy manapaka amin`ny alalan`ny endriky ny fanapahan`ny governemanta. Efa hita soritra izany nandritra ny fametrahana ilay fangatahana napetrany teny amin`ny HCCsatria i Alain Mahavimbina dia isan`ireo kandidà 10 tsy nankatoavina ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana tamin`ny volana aogositra farany teo. Amin`izao fotoana izao, miray tsikombakomba na manao “complicitè negative” hanamotehana ny endriky ny hasin`ny demokrasia sy firaisam-pirenena ny HCC sy CENI ary ahiana ho fotorin`ny krizy amin`ny taona ho avy satria raha tsy mifanaraka izay eken`ny vahoaka izay voka-pifidianana eo dia tena hanao izay fanakorontanana sy hampisy ady, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.