Politique

Alain Mahavimbina “Tokony hovana ny rafitra misy eto raha te handroso isika”


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Ny rafitra misy eto amin’ny firenentsika mihitsy, raha ny fanazavan’Atoa Alain Mahavimbina, lehiben’ny Faritra Atsinanana teo aloha no misy lesoka ka mampahantra ny vahoaka Malagasy tahaka izao.

 

 

Ny sosialy na ny maha olona no tokony homen-danja voalohany satria ny olona no harena vao mandeha ny politika saingy ny mifanohitra amin’izay no misy ankehitriny. Baikon’ny politika ny mpitondra ka tsy mahalala vahoaka intsony. Ankoatra izay, tsy mipetraka intsony ihany koa ny fihainoana ireo raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana, hany ka zary tsy hita taratra eny anivon’ny fiarahamonina intsony ny fifanajana, ny fifampihainoana, ny hasin’ny maha olona. Mila  mpitondra manana rafitra voavolavola mifanaraka amin’ny firenentsika, ny fombantsika i Madagasikara raha tiana ny hampandroso azy. Anisan’ny kandida nikasa ny hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny 7 novambra ho avy izao Atoa Alain Mahavimbina saingy nolavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny ora farany ny fangatahiny.

 

 

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT