Politique

Alain Mahavimbina, Saraha Rabeharisoa Nolavin’ny HCC ny fitorian’izy ireo


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Nametraka fitoriana teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny kandidan'ny antoko PLD (Parti Libéral Démocrate) Saraha Rabeharisoa ny 3 septambra teo mitaky ny hanajana ny lalàna velona hitandroana ny zon'ny mpifidy,

 

 

 ny rafitra misy eto Madagasikara, indrindra ny voalaza ao amin'ny lalàna mifehy ny fifidianana. Nametra-panontaniana tamin’ny HCC ihany koa raha mety tokoa ny hanatanterahana ny fifidianana amin'ny volana desambra. Tsy azo raisina ny fitoriana, hoy ny didin’ny HCC nivoaka omaly satria tsy nahafeno fepetra ny mpitory. Ny voalazan’ny lalàna mantsy dia ny lehibena andrim-panjakana, ny ampahefatry ny mpikambana ao anatin’ny antenimieram-pirenena, ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana na ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED) ihany no afaka manao ny fitoriana. Nolavina ihany koa ny fitoriana nataon’ireo olona miisa folo tarihin’i Alain Mahavimbina izay nanatitra antontan-taratasy firotsahan-kofidiana teny amin’ny HCC nefa nolavina, ka mahatsiaro tena ho nailika tao anatin’ny fifidianana. Tahaka izany ihany koa ny fitorian’ny Kandida Solo Norbert Andriamorasata mitaky ny hanintsanana an’i Andry Rajoelina tsy ho kandida. Tsy angatahina ny zo fa azo ary zavatra ao anatin’ny lalàna ny anay, hoy ny filohan’ny antoko GARA, iray amin’ireo kandida filoha voailika noho ny tsy fahafenoan’ny antontan-taratasy. Ny daty fandrotsahana dosie dia ny 1-21 aogositra. Ny daty ho an’ny fanadihadiana ny dosie, dia ny 22-26, ary ny daty ho an’ny fampahafantarana ny kandida voatazona dia ny 27 aogositra. Io lalàna io no nanaovan’ny HCC fanararaotam-pahefana, tsy narahina ka izahay amin’izao dia manao ny “recours en abusif” manoloana ny zavatra nataon’ny HCC, hoy i Alain Mahavimbina.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT