Politique

Akon’ny fifidianana filoham-pirenena Nisy ny tsy fahatomombanana


  • Zoma 09 Novambra 2018

Vita ihany ny fifidianana fihodinana voalohany teto Madagasikara izay nandrasan’ny Malagasy.

 

 

 

Nanaiky fa nisy ny lesoka tamin’ny resadresaka nifanaovan’ny Gazety Tia Tanindrazana tamin’ireo olom-pirenena samihafa saingy niara-nilaza ihany koa anefa fa tena zava-dehibe ny fahatanterahan’iny fifidianana notanterahina teo iny. 

Pasitera Irako Andriamahazosoa

“Amin’ny maha filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny tenako dia manentana ny kristianina sy ny vahoaka Malagasy aho ho tena feno vavaka, indrindra amin’ny fiandrasana ny voka-pifidianana. Ekeko fa betsaka ny tsy tomombana satria na ny tao an-tokantranoko aza dia nisy ny tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana. Amin’izao fotoana izao no tena mila hijoroana ary tsy tokony hitsahatra amin’ny fiainam-bavaka mba hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny ity firenentsika ity. Tian’Andriamanitra loatra i Madagasikara”. 

Arlette Ramaroson

“Tsy mbola nahita fifidianana tahaka ity ny tenako satria tena betsaka loatra ny olona tsy voasoratra anaty lisi-pifidianana ary maro ny tsy afaka nifidy. 39 monja no voalaza ho nifidy ahy manerana an’I Madagasikara kanefa ny fianakaviako izay mpanohana ahy fotsiny aza no efa misy aman-jatony. Tahaka izany koa ireo namana mivondrona ao anatin’ny firaisan-kinan’ny kandida tahaka an-dry Fanirisoa Ernaivo, Dadafara ary I Pastora Mailhol izay tena fantatra sady tian’ny olona any amin’ny toerana nihaviany sy ny fiangonana entiny kanefa dia hita ho niniana nalatsaka be ny vato azon’izy ireo. Hita maso be loatra ny tsy fahatomombanan’ity fifidianana ity ary tena mandeha amin’ny tsy tokony ho izy kanefa dia lazain’ny vondrona iraisam-pirenena ho tena milamina. Samy manana ny vokatra eo an-tanany ireo kandida 2 mitarika ary tena samihafa ny vokatra ka ahiana hatrany ny korontana. Mbola hivory izahay firaisankinan’ny kandida ary handray fanapahan-kevitra manoloana izao fifidianana kitoatoa nataon’ny CENI izao.”

Sefora Grace Mikala

“Avy any Gabon ny tenako ary amin’ny maha mpanara-maso avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena ahy dia hitako nilamina ihany tamin’ny ankapobeny iny fifidianana natao omaly iny. Birao fandatsaham-bato miisa 2 no narahako maso akaiky: ny iray teny 67ha Andrefana nanomboka tamin’ny 5 maraina ka hatramin’ny 12 ora antoandro. Ny zavatra tsikaritra dia nisy ny fitavozavozana kely satria ny olona efa nilahatra be hifidy kanefa tamin’ny 7 ora latsaka vao nisokatra ny birao. Amin’ny 6 maraina anefa no fotoana nomena ny olom-pirenena. Hita teny ihany koa ny fidiran’ny olona vitsivitsy tsy mitondra “badge” nefa dia mivezivezy ao anatin’ny birao. Ny tapany hariva indray dia nijery ny teny Antanimena II EPP Ankazomanga aho. Nilamina sy nizotra am-pilaminana kosa ny teny ary nahafinaritra ny fandraisan’andraikitry ny mpikambana tompon’andraikitra tao amin’ny birao fandatsaham-bato”.

 

Haingo Rasolofonjoa kandida laharana 1

“Enga anie tsy hisy fotsiny ny korontana fa betsaka loatra ny tsy fahalavorariana teo amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Irina ny fitoniana eto Madagasikara ary tena ilaina ny fanavaozana ny fototra sy fomba fisainan’ny tsirairay. Tokony hanatanteraka ny fampanantenana nataony ny kandida izay ho tafita eo fa efa tena mahantra ny vahoaka Malagasy. Raha izaho manokana dia manaiky izay voka-pifidianana hiseho eo fa na izany aza dia hanara-maso akaiky ihaany ary miray feo amin’ny firaisankinan”ny kandida”.

Ramamonjisoa Rindra

“Amin’ny maha mpandraharaha sy mpahay toekarena ny tenako dia ilaina hatrany ny fitoniana mba hampandroso haingana ny toekarena. Na dia nisy aza ny famingampinganana natao tamin’ny kandida laharana faha-25 tamin’ireny fanelezana trakta teny an’arabe manentana ny olona tsy hifidy ireny dia mazava hatrany ny fitiavan’ny olona azy. Amin’izao fotoana izao no tena ilaina ny fandraisan’andraikitry ny CENI ary aoka mba hiasa amin’ny fahamarinana amin’ny fanangonana ny vokatra rehetra. Efa ela niaretana loatra ny vahoaka fa aleo mba hisandratra haingana amin’ny fanatanterahana ny MANIFESTO”.

 

Nangonin’i Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT