Politique

AKFM Manohitra ny fitsabahan’ny hery vahiny


  • Talata 11 Septambra 2018

Miara-mahatsapa hatrany ny vahoaka malagasy ankehitriny fa, noho ny lafiny ara-stratejika lehibe maneran-tany, dia manamafy ny fitsabahany amin’ny raharahan-tokantranon’i Madagasikara hatrany, ireo hery vahiny samy hafa,

 

 ka anamafisan’izy ireny ny fihazakazahany amin’ny fandrobana ny harembe eto amin’ny firenena. Anisan’ny endrika isehoan’ny tetika politika ny finiavan’izy ireo hisakana ny kandidà sasany, izay heveriny fa hanohitra io politikany io, amin’ny alalan’ny fanaratsiana azy ireny, ny fitoriana azy ireny eny amin’ny tribonaly, ny fiadiana ho fanafoanana na farafaharatsiny, fanemorana izao fifidianana izao. Anisan’izany koa ny fikasan’izy ireo, hamboly ady an-trano eo amin’ny samy Malagasy, raha toa ka tsy voasakany ireny kandidà toheriny ireny. Manolotra ireo tranga ireo ny antoko AKFM (Antokon’ny Kongresin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara) dia manaitra ny  olom-pirenena tsirairay ny tokony hanamafisana hatrany “ny fanoherana izao fitsabahan’ny hery vahiny amin’ny raharahan-tokantranontsika Malagasy izao na amin’ny endriny inona na amin’ny fomba inona  isehoany”. Manamafy ny antsony amin’ny vahoaka malagasy ihany koa ny AKFM mba hitandro sy hanamafy hatrany ny firaisam-pirenena, amin’ny alalan’ny famotsipotserana ireo tetika maloto hizarazarana ny samy Malagasy, toy  ny fananganana fikambanam-paritra etsy sy eroa na fanolorana sy fanohanana kandidà mifototra amin’ny fiaviana ara-paritra na ara-poko”. Miantso ireo mpisehatra politika ny AKFM, mba hampitsahatra ireo fomba ratsy, indrindra mba hahatsiaro tena ka tsy hobaikoan’ny tombontsoa manokana fotsiny na ny tombontsoan’ny vahiny. Ny fomba toy izany, hoy ity antoko ity, no anisan’ny miteraka izao savorovoro misy eto amin’ny tanindrazana izao, ary manakona ny fitakian’ny vahoaka maro an’isa, dia ny fanalana izao fahasahiranana lalina mianjady aminy izao.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT