Nampita hafatra avy amin’i Tojo Ravalomanana ny mpitari-tolona Zafilahy Stanislas ny sabotsy teo tetsy amin’ny Magro Behoririka. Hafatra nilaza ny hoe :
samy miandry sy manantena isika fa ho avy ny andro hihaonana amin’i Dada ka ento am-bavaka, aza matahotra fa Andriamanitra miasa ka ho tonga ny andro hiresahantsika. Te hiresaka mafy i Dada fa mino isika fa kely sisa izany fotona izany. Nahavelom-bolo ireo zanak’i Dada izany hafatra fohy izany no sady nampitombo hatrany ny finoana ny amin’ny tsy maintsy hahatafitan’ny tolona. Tsy isan’andro tokoa mantsy no misy hafatra tahaka izany, fa matoa tonga ny hafatra dia misy antony mazava ao, ary misy dikany goavana ilay hoe : “…kely sisa…”, hoy ireo mpanara-baovao politika.
Hiatrika fifidianana
Tetsy an-kilany, Atoa Botozaza Pierrot izay nidina teny Behoririka koa tamin’io andro io dia nilaza fa tokony ho ny vahoaka mpitolona an-kianja no homena valisoa satria teo foana. Raha jerena ny mahazo an’i Prezidà Ravalomanana, hoy izy, na iray aza tsy nisy heloka vitany nefa dia mbola tazonina any Antsiranana ihany izy ary dia mihodinkodina eo ny fitondrana amin’izany. Efa saika ho any Afrika Atsimo aza ny mpitandro ny filaminanantsika haka azy ka inona no olana amin’izy tonga izao ? Rehefa tsy manaja na inona na inona dia Andriamanitra sy ny vahoaka no mitsara satria dia tena migadra tokoa ny filoha ka antso avo no atao amin’ny tsy mankasitraka ny fitondrana, ndao hiaraka ary fantatra fa hetahetan’ny vahoaka dia Ravalomanana hitondra indray. Hitambatra hanala an’i Dada any Antsiranana aloha isika, hoy Atoa Botozaza dia hitandro ny tombontsoam-bahoaka hiatrika ny fifidianana manaraka. Fa maninona no dia Ravalomanana foana no ilana sotasota ? Noho ny tahotra azy ? Tandremo sao hivadika aminareo ny rambony amin’ny farany. Aoka mba hitambatra ny ezaka, hoy hatrany i Botozaza Pierrot, ary nanambara hafatra ho an’ny filoha Ravalomanana ihany koa izy nanao hoe : “ aoka mba tsy hohenoinao intsony ny feon’ny tsy tia anao ary sokafy ny sofinao fa tsy misy hita ireny tamin’ny 2008-2009 na mba niseho tamin’ny ianao tonga. Andao hametraka rafitra ato an-kianja ka ao anatiny avokoa ny Faritra. Tsy hanaiky ny fitondrana mandainga hiatrehana ny ho avy isika.”
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.