Tsy tokony ho ireo kandida mihitsy no ho sakana indray tsy hahatanterahan’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny 7 novambra izao, hoy ry zareo avy eo anivon’ny vondrona eoropeanina.
Ampahany tamin’ny fanehoan-kevitr’ity vondrona iraisampirenena ity tetsy amin’ny foibeny etsy Andraharo io ny sabotsy teo nanoloana ny adihevitra nitranga teny amin’ny Ceni Alarobia izay nifanaovan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana sy ireo kandida miisa 36 ny zoma nialoha an’io. Vonona ny hanapi-maso manoloana ny toetrandro sy ny tsy fahatomombanana marolafy hita amin’ny fanomanana ny fifidianana, toy ny lisi-pifidianana, ve izany ny mpamatsy vola ? Manomboka mipoitra ankehitriny ary miha mafy ny tsindry iraisampirenena, indrindra fa ny an’ireo mpamatsy vola. Manomboka miha hita miharihary fa tsy mahaleotena loatra amin’izay fikarakarana fifidianana izay isika fa toy ny efa nisy hatramin’izay dia miankin-doha amin’ireo mpamatsy hatrany. Ahiana hanao tohivakana ato ho ato ny fanambaran’ireo mpamatsy vola hafa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.