Vaky ambatolampy omaly, ary natao resaka ho ren-tany ren-danitra ny fisiana kolikoly teny amin’ny Antenimieram-pirenena manodidina ilay “motion de déchéance” nataon’ny solombavambahoaka.
Raha ny tatitra reko, hoy ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina, nanoloana ny mpanao gazety teny amin’ny Lapan’Iavoloha dia “nisy trangana kolikoly, mamofompofona risoriso ary nisy mihitsy ny tsy fanarahan-dalàna”. Ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena faritanin’Antananarivo Razafimanantsoa Hanitra, tetsy amin’ny HCC Ambohidahy dia nanamafy fa nisy ny fifidianana solombavambahoaka ary raha misy ny kolikoly dia tsy avy aminay depiote fa avy amin’ny mpitondra fanjakana. Samy olom-boafidy, manana andraikitra ambony eto amin’ny firenena no miteny ampahibemaso. Inona no hataon’ny Bianco na Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly manoloana izany ? Hiandry fitoriana sa hanokatra fanadihadiana avy hatrany ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.