Efa lafo ny Air Madagascar ? Mijanona ho honohono avokoa ny vaovao manodidina ity kaompania nasionaly amin’ny fitaterana anabakabaka ity.
Toy ny faty entin’alina ny mpiasa, tsy mahalala na inona na inona ny vahoaka. Tranga izay toa mampitombina ny resaka mandeha tato anatin’ny herinandro maromaro izao fa efa lafo ny Air Madagascar. Toa vao mainka manamafy izany ny feo re fa hamidy (raha tsy efa lafo) ireo fiaramanidina ATR miisa telo (ATR-72 roa sy ATR-42 iray) novidiana nandritra ny fitondrana Ravalomanana, ka ny vola azo tamin’ireo no nenti-nanana ny fahazoana ilay ATR-72 600 vao tonga folo andro lasa izay sy ireo roa mbola ho avy manaraka eo. Araka ny loharanom-baovao dia hijanona eto Madagasikara ihany ireo ATR telo ireo na dia namidy aza, ary hampiasain’ny Air Madagascar saingy tsy fananany intsony fa ho mpanofa indray izy manomboka eto. Hofaina toy ireo ATR-72 600 vao tonga. Manampy ireo ilay Boeing 737-300 na “Air Force One” voalohany, fampiasan’ny filoha Marc Ravalomanana fony izy teo amin’ny fitondrana ary nomeny hampiasain’ny Air Madagascar rehefa nahazo ilay “Air Force One II” ny fanjakana. Namidin’ny tetezamitan-dRajoelina natao varoboba moa ity farany. Io Boeing 737-300 io no miantoka ny ankamaroan’ireo sidina anatiny an’ny Air Madagascar amin’izao. Farany teo aza, dia io “Air Force One” taloha io no nanatitra sy naka ny delegasiona notarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Addis Abeba-Etiopia, namonjy ny fivoriambe faha-18 ny Comesa farany teo. Tsy nambara kosa hoe : nanofa ve ny fanjakana sa notaterin’ny Air Madagascar maimaimpoana ny delegasiona malagasy tamin’io. Fa ny niseho aloha dia nikorontana ny sidina anatin’ny Air Madagascar nandritra ny fotoana tsy nahateo io Boeing 737-300 io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.