Leo ny fampanantenana poak’aty sy ny ronono an-tavy ary bala roran’ny mpitondra amin’izao ny vahoaka, ka nitokona nidina an-dalambe nitondra sorabaventy teny Andohatapenaka sy Ampasika.
“Vohay ny tohadrano fa efa betsaka ny maty”. Omaly tolakandro nanomboka tamin’ny 4 ora, ireo mponina traboina dibo-drabo avy amina fokontany maromaro ambany tanàna toa an’Ampefiloha Ambodirano no nanao io hetsika io mandrapahalin’ny andro. Tapaka tsy azo nifamezivezena ny lalana avy eo 67 ha Atsimo mihazo an’Itaosy iny. Betsaka ny nandeha an-tongotra. Hatreny Anosy, Ankazomanga, sy toeran-kafa ny fitohanan’ny fiara. Nihodina nankany Anosipatrana ny zotra 133. Raha ny fanazavan’ny komitim-pokontany sy ny solontenan’ireo vahoaka nitokona, ny anton’ny fitokonana dia noho ny tata-drano tsentsina sy tsy mivoha ka miandrona tsy afaka mandeha ny rano, ary miaina ao anaty rano maimbo maloto ireo mponina dibodrano mijaly tsy misy handehanana intsony.
Tsy hitsahatra ny hetsi-pitolomana, raha tsy voavaha ny olana
Efa nisy ny maty, hoy ireo traboina mitokona, nefa tsy taitra ny tompon’andraiki-panjakana, na dia efa telo volana ny mponina amin’ireo toerana iva fefiky ny rano no nangataka hanadiovana ny tatatra, kanefa tsy misy valiny izany hatramin’izao. “ Nataonay izao hetsika izao hanairana ny mpitondra. Sa andrasana olona an-jatony maty ve vao misy ny fanadiovana ny tatatra hivarinan’ny rano ? ”, hoy ny horakorak’ireo traboina dibodrano nidina an-dalambe, omaly. Raha ny voalazan’ny solontenan’ny vahoaka nitafa tamin’ny mpanao gazety, dia tsy hijanona ny fitokonan’izy ireo, raha tsy voavaha ny olana, na dia hisy aina hafoy aza. Tonga teny an-toerana omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora mahery kely, ny mpitandro ny filaminana nandeha fiara 4x4 roa hanaparitaka ireo vahoaka nidina an-dalambe mba hisokafan’ny lalana. Romotra ireo mpitokona, ka saika raikitra ny sakoroka. Raha tsy misy ny vahaolana matotra dia ahiana hivadika fipoahana ara-tsosialy mety ho saro-bahana ity fihetsehan’ny mponin’ny ambany tanàna ity. Halina dia nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy ny minisitry ny mponina Onitiana Realy no sady nampitony ny fahasosoran’ny olona ihany koa. Nalefa namono afo, hoy ireo be vazivazy.
Eric R & Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.