Politique

Ahiahina famotsiam-bola Hohadihadiana ny Pastera Mailhol ?


  • Talata 31 Jolay 2018

Re hatry ny omaly fa mety hanokatra fanadihadiana momba ny Pasteur Mailhol izay kandida filoham-pirenena atolotry ny “Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara » ny SAMIFIN na ny sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola.

 

 Araka ny karo-baovao natao dia ahiana ho ao anatina famotsiam-bola ity filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalipsy ity. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa tamin’ny alalana fahazoan-dalana ho an’ny mpizahatany na « Visa Touristique » no nidiran’ireo teratany Rosiana efa-dahy izay misy efa miaramila fahiny (ex-militaire) voalaza fa mpiara-miombon’antoka amin’ny Pastera Mailhol. Tapitra amin’ny 15 aogositra izao ny fahazoan-dalana hivahiny eto Madagasikara ho azy ireo. Mety misy ifandraisany amin’ireto Rosiana mpiara-miasa amin’i Pastera sy ny ekipany ireto ve io fanadihadiana mety hosokafan’ny SAMIFIN io ? Efa nanambara ho ren-tany ren-danitra moa ny Pastera Mailhol fa hanao izay hamerenana ny « Iles Eparses » amin’i Madagasikara ary nolazainy fa hanampy azy amin’izany ny Rosiana. Ireo masoivoho vahiny eto Madagasikara anefa samy milaza fa tsy manohana na manosika kandida izany mihitsy. Inona ny tena marina momba ity raharaha ity ? Andrasana izay mety hambaran’ny voakasika mivantana aminy. Tsiahivina ihany fa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany ny taona 2013 dia efa nanambara ny ahiahiny ny amin’ny mety ho fisiana famotsiam-bola ataon’ireo manodidina ny kandida sasany ny SAMIFIN saingy tsy nisy fanadihadiana lalina vita ka namoahana fehin-kevitra moa. Etsy an-kilan’izay dia anisan’ny fepetra henjana ao anatin’ny lalàm-pifidianana vaovao mihatra eto Madagasikara ny fanaraha-maso ny loharanom-bola rehetra ho an’ny kandida tsirairay avy  mba isorohana ny resaka famotsiam-bola. Ho hita eo izay mety ho tohiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT