Fifanar
Hita ankehitriny fa tsy mahafaka olana ny fitondrana misy eto amintsika, hoy Rtoa Berthine tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Raha ny fizotry ny fampihavanana, hoy izy, dia hisy fanitsina na tonga dia fiovan’ny lalampanorenana. Vita izay ny fihaonambem-paritra ka miandry ny tohiny, hoy i Manoela.
Rehefa mihavana dia tsy mitondra kobay intsony. Raha mbola fiarovana ny ain’ny prezidà Ravalomanana dia ekena fa avelao izy hanohy ny asany sy hampiasa ny talentany ary tena salama ny fianakaviana Ravalomanana fa ny nanao ratsy taminy no tsy salama. Ny fifanarahana eo amin-dRavalomanana sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina dia ekena satria tsy maintsy ny mahasoa ny vahoaka ihany no jeren’i Marc Ravalomanana fa lany manarararaotra ny andro ratsy avokoa ny rehetra ary ny hita manavotra an’Antananarivo dia ny kandidà ben’ny tanàna hatolotry ny prezidà Ravalomanana. Lasa bizina avokoa ny momba an’i Madagasikara hatramin’ny tany ka tafiditra hatramin’ny mpiasam-panjakana. Ataovy teny Malagasy ny lalàna mifehy ny fananan-tany hazava amin’ny olona. Izay no re nandritra ireo kabary nifandimby teny amin’ny linjan’ny Finoana omaly.
RHR/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.