Politique

agro Behoririka Fomban’ny mpanongam-panjakana no nolovain’ny ankehitriny


  • Zoma 20 Martsa 2015

mahita na aiza na aiza eto Madagasikara fa tsy misy zavatra mandeha eto amin’ny firenena, hoy i Patrick solontenan’i Toliara tonga tsetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, ka izany no ilatsahako ho ben’ny tanŕna ao amin’ny Faritra misy ahy satria tian’i Dada i Toliara.

M

 

Iarahana  Mbola lavitra ilay tan-dalàna i Madagasikara,  hoy i Lanto,  satria voahitsakitsaka ny zo. Tsy anjaranay zanany anefa ny manongana ary tsy hainay izany. Matahotra horoahina i Goldblatt, hoy i Manoela,  dia nomeny Honoris Causa ny filoha  Hery Rajaonarimampianina. Ekena fa nianatra izy fa ny olona mendrika ny Honoris Causa dia ny olona mahay mitantana. Efa ho 2000 ariary ny kilaon’ny vary, tokony hahay mamindra mihitsy ny mpitondra mba tsy hidaraboka. Mahaiza manambitamby, hoy i Berthine,  fa betsaka ny nanenina, ilaina ireny amin’ny fifidianana ary manamafy ny fitondrana apetraka. Milalao afo sy lany henatra ny fitondrana, hoy Rarison Hilarion, matoa ny sampana iray mitokona dia mahita fa mihoapampana ny fandaniana. Tsy ampy herinandro akory ny filoha, ny PM ary Goldblatt nifamaly tamin’ny haino amanjery, tsy nivalona akory ny volana dia ireo fa mifandona vera. Raha manana fiandrianam-pirenena dia tokony halaina ireo nosy kely manodidina. Tokony ho tsy be setrasetra rehefa be konetaka ary ny tsapa dia mitovy toetra amin’ny mpanongam-panjakana, fombany tokoa no nolovain’ny fitondrana ankehitriny. Ny haino amanjery aza tsy malalaka ka inona no tan-dalàna amin’izany ? Mbola te hamitaka vahoaka foana ireo olona anisan’ny mpanongam-panjakana. Matahotra ny hafa hatolotry ny ny HVM ka be kajikajy.

RHR/Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT