Politique

Afera, vola, fahefana


  • Alatsinainy 16 Febroary 2015

Mbola tena ao anatin’ny fahantrana goavana i Madagasikara ankehitriny, manampy trotraka ny fahasahiranana ny takaitra navelan’ireo rivodoza roa sy ny orana mikija entin’ilay andro ratsy vaovao miforona any avaratra andrefan’ny nosy indray.


Andrandraina fatratra ny fivorian’ireo fikambanamben’ny mpamatsy vola ny 19 sy 20 febroary ho avy izao. Hatreto mantsy dia tena mbola mila famatsiana ara-bola avy any ivelany aloha i Madagasikara fa tsy mahavita tena. Ekena fa tena misy ny harena be eto saingy tsy mbola vitantsika Malagasy ny manodina azy sy mamadika azy fa dia mbola mila vahiny aloha isika. Efa nisy ihany moa ny ezaka natao teto mba hanafainganana ny fandrosoana ka tsy hitavandra amin’ny any ivelany intsony i Madagasikara saingy efa tantara sisa izany noho ny korontana novolena teto tamin’ny 2009. Ny Malagasy miha mahantra, hita anefa fa mandeha tsara ny afera ho an’ny vahiny, mandeha ny trafika isan-karazany ary misy ny Malagasy vitsy an’isa miray tsikombakomba amin’izy ireo. Fa inona marina moa izany  no ataon’ny fanjakana e ? Toa manaboribory resaka fotsiny na mody fanina ny manampahefana rehefa anontaniana ny fanondranana boaderozy an-tsokosoko any avaratra atsinanan’ny nosy, sy ny trafika isan-karazany eny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato eny.Tsy fantatra akory izay hiafaran’ny resaka avy eo fa toa vitavita ho azy ilay raharaha, na ireo irakiraka no midoboka any am-ponja fa ny tena atidoha mikotrika ny afera maizina tsy voakitikitika mihitsy. Miteny tsinona ny vola sy ny fahefana, ary aleo tsorina ny resaka fa misy manampahefana miaro ireny mpanao afera maloto ireny e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT