Nanao fanamarihana mahakasika ny andraikitra sahanin`ny Fitsarana Ambony (HCJ) ny mpitsara sady mpahay lalàna, Imbiky Herilaza. Nilaza izy fa tafiditra amin`ny fametrahana tany tan-dalàna ity rafi-pitsarana ity.
Mizara roa ny dingam-pitsarana eo anivon`ny HCJ, hoy ny fanazavana. Voalohany, mahakasika ny filohan`ny repoblika : tsy maintsy mametraka ny fitoriana any amin`ny filohan`ny antenimieram-pirenena ka ny komisionina no mandinika izany. Rehefa avy manapaka ny komisionina dia ny antsasamanilan`ny Antenimieram-pirenena no mandany raha alefa eny amin`ny HCJ ny fitoriana mahakasika ny filohan`ny Repoblika. Ny dingana faharoa indray, mahakasika ny filoha na mpikambana eo anivon`ny Andrim-panjakana. Alefa eny amin`ny mpampanoa lalàna ny fitoriana ka izy no mandinika raha azo enjehina izay olona hotoriana ka izy no mandefa izany any amin`ny “cour de justice”. Nomarihany fa iray ihany ny fepetra azo hitsarana ny filoham-pirenena dia ny fitakiana ny fametraham-pialana (decheance) izay voasokajy ho sazy politika. Ho an`ireo filohana Andrim-panjakana na olom-panjakana ambony kosa dia ny didy famaizana (code penal) no hampiharina ka afaka managadra. Araka izany, azon’ny ny antokom-pitsarana momba ny lalàna ifampitondran`ny daholobe tsaraina ny praiminisitra, filohan`ny antenimiera…, hoy hatrany ny fanazavana. Ny mpikambana eo anivon`ny Andrim-panjakana dia tompon’andraikitra itataovam-pahamaizana, hoy ny lalàm-panorenana, noho ny zavatra nataony teo amin`ny asany ka voatondro ho heloka bevava na heloka tsotra tamin`ny fotoana nanaovany izany fa ny Fitsarana Ambony no manana fahefana hitsara azy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.